0248 TN (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Any ianao ’zay
Rotsirotsin’ny fiaraben’ny Hyundai ianao ’zay
Ny 0248 TN
Nahafantarako anao re tsisy neniko
Any anao zay
I Kalamena volo havako iny e!
Mena tsy foiko
No sady tsy foiny
Lokon’Arema, fa nifankatiavanay

Sigara Good Look akiy
Anembonako an-dry
Good Look amin’ilay tsisy Menthol
Fa ny nitiavako anao re toin’ny taonina
Sarin’ny Masina Maria
Anembonako an-dry
Lay manao hazo fijaliana kely amin’ny tanana an-kavia
('Ty kosa ho'aho mahasosotra mihitsy rehefa manao an'izay)

Any ianao ’zay
Angambany efa tena lasa lavitra be
Mbo rahoviana indray vao mba ho hitako ianao
F’ataoko manatitra ahy hatrany Ivandry

Any ianao ’zay
Angamba efa mamindra 4ème vitesse amin’ny Hydrocarbure ianao izay
Fa ny fiara tiany
No tiako tiangenana
Mahita azy mitsiky aho d’efa fahafinaretaako a.

Ia ia ia

Sigara Good Look akiy
Anembonako an-dry
Good Look amin’ilay tsisy Menthol
Fa ny nitiavako anao re toin’ny taonina
Sarin’ny Masina Maria
Anembonako an-dry
Ilay mihantona amin'ny tambohon'olona etsy
Manjakaray, Vasakaosy, Isotry, Ambanidia

Eee
Monsieur Polisy o
Polisy malala o
Ikala menavolo iny ange
Raha sendra mba hitanao any alohaloha any
Dia sakatsakano kely
Dia raha sendrasendra azonao
Dia ento any Tsaralalana
Dia fatopatory kely
Raha sendra be rano maso
dia omeo chiffon jaune
dia hovangivangiako matetika any re
ry ngahy polisy malala o
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 23342
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 01/11/2001 23:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115