LANITRA (ROLF)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : ROLF
Mpamaky : 1147
Nampidirin'i : Prisca
Tamin'ny : 03/12/2003 04:55:57
ID : 2154

Imprimer Facebook Facebook
LANITRA

O ! maika ny hahita anao aho
Maika ny ho tonga any aho
Tonga haka anao aho

O !Mafana ny foko
Hafanainao ny foko
Tia anao ny foko

O !Hiezaka mafy aho
Hanao izay mety aho
Hasambatra anao aho

Ref :
Tsy hampanantena anao Lanitra aho
F’izay kely vitako, ho anao tsy isaiko

O !io aloha io ianao
Miandry ahy ianao
Tia ahy ho ahy ianao

O !Henoy ahy ry Raiko
Izy irery no mba haiko
Hampihira ny aiko

O !raha hamela taranaka aho
Izy irery no avelako ho reny
Izy irery no hanambara amiko hoe « ENY »

O !Hoatran’ny hoe manonofy aho
Hoatran’ny hoe tsy te-hifoha aho
Aza fohazina fa tena tia aho

Ref :
Tsy hampanantena anao Lanitra aho
F’izay kely vitako, ho anao tsy isaiko

O !Maika ny haka anao aho
Maika ny ho tonga any aho
Satria tia anao aho…

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo