NY HIRAKO (Njila)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Njila
Mpamaky : 1252
Nampidirin'i : Linah D
Tamin'ny : 10/07/2003 08:20:43
ID : 1759

Imprimer Facebook Facebook
Hira iray no atolotro
Mba hanitsiana ireo diso lalana
Dia hira vokatry ny fo
Fa tsy mba vokatry ny saina
Avelao ho any ambadika any izay tsy tia
Hiraiko ihany ny hirako

           REF   :        Avelao ny revy handeha
                             Hanoreno
                             Avelao ny revy handeha
                             Hamantana, hambabo ny fonao

Ny hirako no atolotro
Mba hatsiarovanao ilay anarako
F’izaho ’lay bandy kely iray
Niady lava taminao
Tsy haiko aloha izay any an-tsainao any
Hiraiko ihany ny hirako

           REF

Ny hirako no mba namako
Raha sendra mafy loatra ny alahelo anao
F’ianao ilay lavitra any
Tsy eto anatrehako
Tsy haiko aloha na diso ianao any
Hiraiko ihany ny hirako

           REF