NY HIRAKO

Lohateny NY HIRAKO
Nampiditra titihh
Tamin'ny 19/06/2010 12:23
Vangy : 110

Hira iray  no atolotro 


Mba hanitsiana ireo diso lalana


Dia hira vokatry ny fo


Fa tsy mba vokatry ny saina


Avelao ho any ambadika any izay tsy tia


Hiraiko ihany ny hirako





           REF   :        Avelao ny revy handeha


                             Ho ren'ny ambanilanitra


                             Avelao ny revy handeha


                             Hamantana, hambabo ny fonao





Ny hirako dia atolotro


Mba hatsiarovanao ny anarako


F’izaho ’lay bandy kely iray


Niady lava taminao


Tsy fantatro izay any an-tsainao any


F'hiraiko ihany ny hirako





           REF





Ny hirako no fiononako


Raha sendra mafy loatra ny alahelo anao


F’ianao ilay lavitra any


Tsy eto anatrehako


Tsy te hahalala aho raha maditra ianao any


F'hiraiko ihany ny hirako





           REF
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1245