Nahoana kay? (Mahaleo)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 1514
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 03/11/2001 18:11:01
ID : 247

Imprimer Facebook Facebook

Nahoana kay ny olona ety
No tsy mahay taratasy
Nahoana kay ny kilonga ety
Tsy mahalala lakilasy

  Taratasin’izy ireo dia ny tany amboleny
  Ny angadin’izy ireo no fanoratany eny
  Ny fiainan’izy ireo dia mivelona amin’ny tany
  Fonenan’izy ireo tsy mba any an-danitra any

Nahoana kay ny olona ety
No noana fahavaratra
Nahoana kay ny olona ety
Tsy manambola fahavaratra

  Ny volan’izy ireo tsy mb’izany vola izany
  Ny harenan’ireo dia ny vokatry ny tany
  Ny fiainan’izy ireo dia mivelona amin’ny tany
  Fonenan’izy ireo any ambanivohitra any

Nahoana kay ny fiainana ety
No sarotra ivelomana
Nahoana kay ny fiainana ety
No sarotra iainana

  Ny tanin’izy ireo dia tany halan’orana
  Tananan’izy ireo, tanana halan-drivotra
  Volin’izy ireo sangisangin’ny avandra
  Kilongan’izy ireo mararirary lava

      Ny fiainan’izy ireo, fiainana lavitra antsika
      Ny fianan’izy ireo, fiainana any ambanivohitra
      Ny fiainan-tsika ety, fiainana andrenivohitra
      Ny fiainan-tsika ety, fiainana manao ahoana

      Isika mamantatra an’izany