DIAN-TONGOTRA (Groupe MANRESE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Henoko ny feonao, ry Tompo ô,
Niantso ahy hiaraka Aminao,
Tora-pasika mideza, hamaky fiainana,
Niara-niriaria teny isika
Efatra ny dian-tongotra no indreo miara-mamindra
Dia ny Anao sy ny ahy miaraka tsy nifanary
Tiako ny miaraka Aminao, ry Jesoa ô,)
Mahafinaritra ery, sy mahasoandriana.) bis

2- Nandroso ny dia, nifamaho ny fiainana,
Nanjombona tampoka teo ny androko
Nanoha ny rivotra, oram-baratra tsy tana,
Nisedra ny mafy samy irery aho.
Fa aiza ianao Jesoa, nahoana no dia mifandao,
Tsy hitako intsony ireo dian-tongotrao?
Ry zandry malala ô, izao no marina :
Nentiko avokoa ny fahorianao.
Dian-tongotro no eo amin’ny fasika
Fa ianao kosa anie nobabeko.

3- Ry Tompo Andriamanitra ô, Ianao dia Ianao irery ihany,
No hany ianteherako eto an-tany.
Faly tokoa aho fa manana anao Mpiahy,
Tiako loatra anie ny miaraka Aminao.
Tiako ny miaraka Aminao, ry Jesoa ô,)
Mahafinaritra ery, sy mahasoandriana.) in-4
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe MANRESE
Vangy : 1896
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : gm10
Daty : 10/01/2015 12:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856