Mitsonika aminao

Lohateny Mitsonika aminao
Nampiditra Razafiet
Tamin'ny 31/07/2010 23:37
Vangy : 213




Mirotoroto fidoboka


Mivaralila mila hiongotra


Miredareda fidonaka


Tia anao ity foko mitsonika





Misy fijery mamatotra ahy


Misy fiteny teny mamiko a!


Misy ny toetra mambambo fanahy


Aminao izay maharendrika





Mitsonika aminao e!


Ity foko lasanao Lala ô !


Mitsonika aminao e!


Miraradraka 


Tsisy fanafany a!


Fa raofim-potsiny !





Ela ny ela ka rendrika aho


Sendra fitia tsy nampoizina


Hay nisy nofy iray niombonana


Tany ho any ka nokobonina.





Misonika aminao e!... 
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082