Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tsy misy ny doria
Hiara-hiaina ny andro androany ho toa ny andro farany hiara-higoka izay mety ho mamy mandra-paha lefy ny tavany ny maso hikipy tsy hahita ho tapitra ny fofon’ aina ho hanenenana izay tsy vita fa any ankoatra tsy ho ilaina satria ny vintana sy anjara no mamaritra ny dia rahapitso ny lalantsika mety hizara satria tsy misy ny doria ny vintana sy ny lahatra mety hamingana ny dia ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra satria tsy misy ny doria Ny ampitso fanontaniana mety ho vatana hangatsiaka andeha hioty izay zava-tiana dieny masoandro baliaka isaky ny andro izay mifoha mety ho farany io ka tadidio ataovy andro feno soa ho fataperana ny anio
