Matoa

Lohateny Matoa
Nampiditra ramaan
Tamin'ny 21/03/2005 19:48
Vangy : 438
Matoa aho mikalo

Izao hariva izao

Ka mamborak'eto

'Reo rakitr'efa tao

Tsy kalo an-terisetra

Tsy didy mahafanina

Fa alahelo anao

Mikalo fa dia manina



Matoa aho mikalo 

Miritsoka mangina 

Mitendry ity valihako

An-takariva sina

Dé fantatro sahady fa ho anao

Mihintsy,no nanolorako azy

Na tononkira vitsy
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3261