Telo sy efatra

Lohateny Telo sy efatra
Nampiditra raents
Tamin'ny 07/02/2008 23:56
Vangy : 381


Zaza enina fito valo sivy folo, toa be loatra

Raha tsy misy indray na iray na roa, toa vitsy loatra



Telo sy efatra ihany, izay no antonony

Fa vitsy ny ambanin'izany

Telo sy efatra ihany, fara faha amboniny

Fa be ny mihoatra an'izay



Ny antsika koa dia toy izay

No mba nofinofiko

Ny antsika koa torak'izay

Fa tsy folo, na hoe roa



Zaza raha maro an-trano dia toy ny harena

Zaza raha vitsy an-trano dia tsy manelingelina



Telo sy efatra ihany.....
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082