Ampidiro aloha ny tenimiafina
Faribolana
E : x B : 2 G : 0 D : 2 A : 1 E : x (?) D D5 D G A D Olona samihafa loko , samihafa firazànana D D5 D G A D Tsy tia mitsitokotoko fa mifandray tànana G A G D Samy faly sy mahatsapa fa ratsy ny mizarazara G A (?) D Ka aleo iray lapa mitovy zo mitovy anjara Ireo tanana izay mifandray toa sarotra sarahana Toa miloko rano iray tsy hita ho havahana Toy ny ankizy miara milalao , toa lavitry ny olana Jereo ireto izy malaina hifandao manao faribolana Dia mihodina tsy misy fiafarany miodidina fitiavana Fa tsara sy mamy aok’izany izany hoe mifampihavana Hadino hoe Rakoto ilay mavomavo , Rabe ilay manana Fa samy hazoto hanandratra izany fihavanana Jereko ny manodidina ahy toa mianjona mangarika Antsoiko hoe ndao isika hiray tsy misy voasarika Fa misy ny loko tsy mety hifangaro, misy harena tsy hihavanana Dia mitsitokotoko miala amin’ny maro ny fotsy sy ireo manana ©MAHALEO
