Sareraka

Nampiditra https://tononkira.serasera.org/mpihira?username=
24/10/2001 08:10
Hiran'i Sareraka 9 Jereo eto
Vangy : 7115
Mpankafy : 0 Ankafizo
Akamako i Sareraka (Yvon Randriazanakolona) ka mba tiako ho zaraina manokana vetivety ny niarahanay nanao "vato mikodiadia" tany aloha tany tany amin'ny faritanin'i Mahajanga, satria heveriko fa mampazava bebe kokoa ny reviny ao amin'ny "Valala" izany.

Tamin'ny 1979 (raha tsy diso ny fitadidiko) no tena nahavitan'i' Sareraka ny "Valala" tany Mahajanga. Vao avy noroahin-dRafanja tamin'ny asa fampianarany tany amin'ny Lycée-n'i Mandritsara ilay haka tamin'izany fa nadi-doha tany, dia avy eo indray tsy zakan'ny lohan'ny mpampiasa azy tao amin'ny SOTEMA izy. Dia izay izy no nifototra tamin'ny fanohanana tamina rindran-kirany ny fihetseham-bahoaka maro (mpikarama, mpiasa tany, mpianatra sns.) tamin'izany fotoana izany nanerana ny faritanin'i Mahajanga, hatrany Antsohihy sy Mitsinjo ary Ambato-Boina ka hatrao an-tampon-tanànan'i Jangilina. Nipololoitra tamin'izany ny hira maro voalohany naha-Sareraka an'i

Sareraka...

Karazan'ny "free style" ankehitriny ny revin-dRa-Sa tamin'izany ka matetika izy eo an-dapihazo no mahatafajoro hira vaovao iray manontolo miainga avy amin'ny resaky ny vahoaka vangiany manao fihetsiketsehana... ary ny olona resahiny any anty jijiny dia vao avy niresaka taminy teo : ry Bekomody, ry Mahazomà, ry Magnanama sns... dia raikitra araka izay ilay hira izay rafetiny ho tomombana kokoa hatrany isaky ny rindran-kira manaraka mifanesy ataony... (F'izay fandrafetana hira ho tomombana izay koa indraindray dia teo am-pihinanana masikita sy mosipa lomana anaty ron-tsakay sy arahina figakàna Dzama "amin'ny antonony" an :-) ;-) miaraka amin'ny tary manala azy amin'ny alina eo amin'ny sisin'ny Lalam-ben'ny Fahaleovan-tena no nahavitany...) Tsy rediredy anaty rindrina efatra mihitsy araka izany ny hiran-dRa-Sa... Ilay filomanosany ao anaty vahoaka indrindra no tena nahafahany nampivady hatramin'izany fotoana izany ny jijy sakalava, ny rija sy isa betsileo, ny sôvan-jomaka ary ny hafa koa... fampivadiana izay tena mampiavaka azy hatramin'izao...

I Sareraka dia azo lazaina fa anisan'ny tena mpandova an'Itpkl. Parson, mpijijy sakalava malaza, sy an'Itpkl. Ralay "Farara", sangan'ny "Mey 72"... Fa amin'izao indray dia tsapako fa misy ifandraisany betsaka ihany amin'ny zotran'i Sareraka ny an'ny mpanakanto tanora goavana fa antsisintsisiny ankehitriny toa an'i Samoela sy ry Telo Midegà (na "18.3"), izay efa niara-nihira taminy rahateo... Ny votoatin'ny hiran'i Sareraka tamin'izahay "vato nikodiadia" tany Jangilina dia fampisehoana ny fiainan'ny olon-tsotra any ifotony, fanehoana ny hetahetam-bahoaka, famotsipotserana ny asan-dahalon'ny Ambaratonga (mpanao fanjakàna, "birao pôlifika"-n'antoko isan-karazany, manam-pahaizana peta-toko, mpanamaizin-tsaina isam-porongony sns.) araka izay hitantsika amin'ny "Valala" sy ny hafa koa ("Vavaka direkita", "Ambariokorano", "Averitisimà finalina" sns.)... Tsapako fa izany votoatin-kiran'i Sareraka tany amin'ny faramparan'ny 1979's sy voalohandohan'ny 1980's izany dia tena mbola ao tsara tokoa amin'izao vanim-potoana izao, satria mahalaza zava-misy maro ankehitriny... Tato ho ato izy, fanampiny, dia maneno mitily ny "mondialisation" sy manao "Angaredona" (lohatenin'ny kasetiny farany fantatro) miaraka amina fokonolona iray manontolo miresaka tontolo iainana... Revy mitohy tsy namadihany palitao ny an'i Lery an...

Sambetsara
Rabeherifara

Azafady, saika adinoko momba ny anarana "Zefa"... Ao amin'ny "Valala", i Zefania sy Maria dia tahaka amin'ny hoe Josefa sy Marian'ny Baiboly kirisitiana. Avy eo ny "Zefa" (avy amin'ny anaran'i Joseph Staline !) dia ireo rehetra "sangany" nirohotra (na anjambany na tsia) nivoy ny fomba "revôlisiônera" staliniana ary koa ireo "valalabemandry" voasodokany... Ry Zefa-valalabemandry voafitaky ny mpanamaizin-tsaina isan-tokony no notairin'i Sareraka hifoha... (Fa rehefa tonga indrayny Hery Velona taty aoriana dia nisy "Zefa" vaovao - ("zefa" avy amin'ny filalaovana ny anaran'ilay Ingahy iray izay, hono - : "vendrana sy doma" no dikan'ny "zefa" nanomboka teo, ka nanondroin'ny mpokony an'ireo mpisarebadrebaka mpanao ramasabomanga nilaza fa hanova raha kay mbola nitondra tany an-kady koa ary vao mainka aza nandetika indray ny marivo salosina ho Zefania sy Maria... Fa kaozy hafa indray ny amin'izany an :-) ;-), tsy hidirantsika lalina androany)...

Hevitra momba an'i Sareraka

(24/10/2001 12:10)

Hiran'i Sareraka (9)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0257