DERA SY LAZA (Sareraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FIV:DERA SY LAZA ho anao
dera sy laza anie anao o
dera sy laza ho anao
dera sy laza anie ho anao o
dera sy laza ho anao
dera sy laza anie ho anao o
ALELOIA !...

1- Misaotra anao Andriamanitra
izay nangatahiko tsy diso
manjàka be ny disadisa
reo mataho- gidragidra
ila-peko ny piesy
tsy mbà marary ny hoza-pe
mandeha tsara ny CEDES
mandeha soa ny LAGUNA
EH! jereo ny anakà
efa nahazo fahefa
mitombo isa ny villà
izaho izay leo tahom-bary
no lasa nihinana madrigaly.
Ka dera sy laza ny anao

2- Misaotra anao Andriamanitra
nataonao sefom-bondrona
notroninao vahoaka dondrona
ireo tokoa no be manohana
ireo tokoa no be manotrona
vahoaka tena tia dia tongotra
tena zatra hani-kotrana
tena vahoaka tia fripy
tena vahoaka tia mitsitsy
tena vahoaka kilalao
manaiky izay tiako atao
dera sy laza ny anao...


3- Misaotra anao Andiamanitra
nahazo vahoaka mora vidy
omem-bola kely sy vary
dia efa miova safidy
vahoaka tsy tia manan-tahy
fa tena ho tia ireto vahoaka
tena mora fialam-boly
loka rongony ary toaka
refa mamo dia matory
tena vahoaka tsy mbà fetsy
tsy mbà mino aferafera
ka ny karàmako 9 hetsy
nahazoako hélikoptéra
dera sy laza anie ny anao.
dera sy laza ho anao(2)

4-Misaotra anao Andriamanitra
amin’ireto mpanompo mahatoky
voabaiko tsara toa boloky
mahay havia sy havanana
indrindra tsipazana fananana
mahavita izay sahanina
nampianao mpitady sôsy
mahazo toerana dia variana
dia haut-parleur be mikôzy
ireto vahoaka koa mangina
na dia efa mofo akondro vava
mbola mino kobaka am-bava
ireo izay délégué izay mbà henjakenjana
miseho omby tsy voafolaka
indro kosa fa milefitra toa zanak’omby tsara hofaka
dera sy laza anie ny anao

5-Ny iderako anao manokana
ireto contrat izay vendrana
tena mahay miady an-trano
vahoaka taritin’ny asa serana
miady vary sy rano
nampianao avara-pi
mitovy @ mpianatra abidia
tsy mahalala izay vahoakany na lalaoviko @ saokany
nampianao miaramila
tsy mbà tia adiady
mpankasitraka girady
na ho ritra ny safira
na gasikara ho maina sy kila
d’ efa niova koa ny rasa
milamina tsara ny orin’asa
adidin’ny havany ny tsy an’asa
dera sy laza ny anao...
ny indro kely fangatahako
ho ahy sy ny akamako
ataovy be ny rôplanina
ho entinay mitsangatsangana
andosirana mpirotaka
izay mety romotra afa-trotraka
ny fanampim-pangatahiko
ireo izay be mokon-doha sahy mijoro ho mpanohitra
mikononkonina ny hanongana
ataovy sesi-tany
raha azo atao ohatrohatra
mbà alaivo androany androany
dera sy laza ny anao


FIV: in -3
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sareraka
Vangy : 5484
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 14/05/2006 19:55
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125