SAHONDRA,GINETTE (Sareraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-SAHONDRA e , GINETTE o
SAHOLY e ,ZANETY o ( 2 fois)
isan’andro izao ianareo dia mamonjy lamesa
dia matetika ianareo dia manampy dorkasy zanaka masina maria
dia impiry moanareo no milanja baiboly,fihiràna
dia matetika ianareo mianatra katesizy ,katekomena
Izaho izany manontany toy ny manontany rehetra
miakatra any a!

miakatra any miakatra any an-danitra any dia mba misy o....

mba misy tanty reraka ve ny any a
mba misy remorkazy tokoa ve any
mba misy didy antsy ve ny any
mba misy tia tinifiny azy ve ny any
mba misy jono-botry ve ny any
mba misy hala-bato risoriso
mba misy piston na tsolotra
miakatra any an-danitra any ve
mba misy kidaon-drano o ooo ....


2- SAHONDRA e, GINETTE o
SAHOLY e ,ZANETY o
Isan’andro izao izay dia miantoka fiaram-bazàha
dia impiry moa dia mikatroka batilazy
dia matetika koa dia misangy mpivarotra billentsinemà
eny @ tsakim-palasy JEAN baptiste eny AMBATONDRAZAKA
Izaho izany manontany toy ny manontany rehetra
miakatra any a

miakatra any an-danitra any dia mba misy o....

mba misy tanty reraka ve ny any o
mbà misy jono botry ve ny any
mbà misy didy antsy sy tinifiny ve any
mba misy piston na tsolotra
mba misy hala-bato risoriso ve ny any o
mbà misy detournement azo atao koa ve any
mbà misy jono-botry ve ny any
mbà misy kidaon-drano o o oo...

3- SAHONDRA e ,Ginette o
SAHOLY e , ZANETY o
Ny eveka sy ny kardinaly ve azo antoka fa ho tonga any
masera sy ry pasitera ve azo antoka fa ho tonga any
dia ahoana ny aminay tsy mahalàla ny alahady fitsaharana
dia ahoana ny aminay nyaminay dia ny aminay

izaho izany manontany toy ny manontany rehetra
miakatra any a

miakatra any miakatra any andanitra any dia mba misy o...

Masindahy Piera ve azo mba atao barman o
Masindahy Paoly ve mba afaka mi-livre koa
ary ra madeleine ve afaka mizarazara e
afaka mampirevy ve ny olo-masina any e
sa mitazona voninkazo no ataoko any e
mbola mba misy revy manja ve ny any o
ampianaro ary lazaoizay marina momba izany

Dia ho aiza i kala sahondra o
dia ho aiza ikala zanety o

Miakatra any miakatra any an-danitra any dia mba misy o...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sareraka
Vangy : 4135
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 14/05/2006 23:29
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0276