ROSSINA

Nampiditra ROSSINA202612
11 andro lasa
Hiran'i ROSSINA 3 Jereo eto
Vangy : 93
Mpankafy : 1 Ankafizo

Mombamomba azy

ROSSINA! mpanakanto sangany avy ao Alaotra Mangoro, teraka tao Ambatondrazaka, avy ao Antokazo (Manakambahiny-Est) no fiavian'ny Rainy, ary avy ao Ambaniavaratra (Manakambahiny-Ouest) kosa ny reniny!mbola vao 4 taona i Rossina dia efa nigagan'ny olona tao amin'ny tanàna iray antsoina hoe Madiotsifafana, izay tanàna nahalehibe azy koa moa, tamin'ny fahaizany mihira sy mandihy.

Folo taona izy no nahay nitendry gitara, ary nanomboka namoron-kira sy tononkalo teo amin'ny faha 11 taonany. Niditra tao amin'ny Tarika TSIMIAVONA ary namoaka ny rakikira (K7) mitondra ny lohanteny hoe : "LAMASININA" tamin'ny taona 1996 izay hira tena anisan'ny nampahalaza azy sy nitetezany an'i Madagasikara!

Tena nahay niara-niasa tamin'ireo Mpanakanto namany avy ao Alaotra Mangoro i Rossina ary tsy karazan'irony Mpanakanto mikombona ara-toe-tsaina irony!

540 no isan'ny hira noforoniny amin'izao ka 42 amin'ireo no efa nivoaka (rakikira sy rakitsary)

Somary mahitsihitsy fiteny ao anaty tononkira izay ny lehilahy ary izay no anisan'ny mora handraisan'ny olona ny tononkirany, mora aminy ny mampita ny hafatra tiany ampitaina amin'ny vahoaka noho izany tononkirany mora raisina izany!

Efa betsaka ny fampisehoana vitany nanerana an'i Dago, sy ny fanafanana lanonana!

13 mianadahy no isan'ny mpikambana mandrafitra ny groupe ROSSINA, 4 mpihira, 3 mpandihy ary 6 mpitendry

Ankoatran'ny lafiny hira dia mpilalao sy mpamokatra sarimihetsika ihany koa ny lehilahy ary maro ireo sarimihetsika efa nolalaoviny (santionany vitsivitsy : ZAZAVAVINDRANO, KILALAOM-PITIA, HADISOAKO VE 1 sy 2, ALONDRANO 1 sy 2, AFON'NY FITIAVANA, TANDINDONA, TOKANTRANON-JAZA, ILAY FO ADALADALA,ZANDRIN'I MADAMA, HERIN'NY FITIA, ANJOROMBALA, TSINGERIN-TAONA FENO ALAHELO 1-2-3-4-5)

Mbola ho entintsika eto ihany moa ny fitetezam-paritra hataony atsy ho atsy!

Mankasitraka antsika rehetra amin'ny fankafizana ny Mpanakantontsika!

Hevitra momba an'i ROSSINA

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i ROSSINA (3)

© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0138