LY ANDRIAMAMY

Nampiditra velomino
24/06/2004 04:44
Hiran'i LY ANDRIAMAMY 1 Jereo eto
Vangy : 1427
Mpankafy : 0 Ankafizo
Ny tarika mpanan-kanto Ly ANDRIAMAMY dia efa tamin' ny taona 1986 no niforona ka olona telo no nitambatra ka namorona azy : Ndriana, Mamy, ary Faly Mahaleomanana. Andriamatoa RASOLONDRAIBE Rolland Seth kosa no Ray aman-drenin' ny tarika , sady isan' ny mpitarika ny Ly Andriamamy koa no sady mpamorona ao anatin' ny tarika hatramin' izay ka hatramin' izao. Io Ray aman-dreny io no mampianatra na ny fomba fihira na ny fomba fihetsika sy ny lafiny maro ara_teknika.

Hevitra momba an'i LY ANDRIAMAMY

velomino (21/04/2004 09:07)
Ny Ly Andriamamy dia tarika mpihira, manao ho vain-dohan-draharaha ny fisiany HITORY NY FILAZANTSARA an-kira ary koa hanentana ny mpiray tanindrazana ho tia an' ity Tanindrazana Malala ity dia i Madagasikara Nosy tsy atakalo amin' ny alalan' ny hira sy dihy tena malagasy. Afaka miara-miasa amin' ny olona rehetra indrindra ny Fiangonana na eto andrenivohitra na any an-kafa.
Ity ny adiresy ahafahana mifandray: velomino@yahoo.fr

Hiran'i LY ANDRIAMAMY (1)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0442