Hevitra momba an'i LY ANDRIAMAMY

Hiverina amin'ny LY ANDRIAMAMY Hampiditra hevitra
velomino ( 03/01/2006 09:56)
Faly miarahaba anareo namana rehetra tratry ny taona vaovao2006, Andriamanitra anie hanampy antsika amin' izay rehetra atao.
velomino ( 24/06/2004 08:44)
Ny tarika mpanan-kanto Ly ANDRIAMAMY dia efa tamin' ny taona 1986 no niforona ka olona telo no nitambatra ka namorona azy : Ndriana, Mamy, ary Faly Mahaleomanana. Andriamatoa RASOLONDRAIBE Rolland Seth kosa no Ray aman-drenin' ny tarika , sady isan' ny mpitarika ny Ly Andriamamy koa no sady mpamorona ao anatin' ny tarika hatramin' izay ka hatramin' izao. Io Ray aman-dreny io no mampianatra na ny fomba fihira na ny fomba fihetsika sy ny lafiny maro ara_teknika.
velomino ( 21/04/2004 09:07)
Ny Ly Andriamamy dia tarika mpihira, manao ho vain-dohan-draharaha ny fisiany HITORY NY FILAZANTSARA an-kira ary koa hanentana ny mpiray tanindrazana ho tia an' ity Tanindrazana Malala ity dia i Madagasikara Nosy tsy atakalo amin' ny alalan' ny hira sy dihy tena malagasy. Afaka miara-miasa amin' ny olona rehetra indrindra ny Fiangonana na eto andrenivohitra na any an-kafa.
Ity ny adiresy ahafahana mifandray: velomino@yahoo.fr

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1852