D.O.M ROCK

Nampiditra Allias Aachîm (D.O.M)
18/03/2022 20:59
Hiran'i D.O.M ROCK 2 Jereo eto
Vangy : 420
Mpankafy : 0 Ankafizo
Ny D.O.M dia tarika evanjelika mivoy ny gadona: Rock sy Metaly ranonay, nitsangana ofisialy taty amin'ny taona 2021. Rehefa niala tao amin'ny APOSTOLY ROCK i DOMINIQUE RABARAONA (les surfs) dia nitsiry tao an-tsainy ny hamorona tarika vaovao, ka ireo zanany 3 lahy sy olona iray naman'ny fianakaviana no nifanohana taminy mba hanangana ny tarika, ka tanteraka izany ny taona 2021.
Tsara ny manamarika fa amin'ny maha tarika evanjelika ny D.O.M dia ara-baiboly avokoa ny 100 isan-jato ny hira, toy ny: APOKALIPSY an'ny D.O.M Rock izay hira fanevan'ny Rock Malagasy ( mipoitra avy lavitra, izay tsy fantatra, hiaka tokana manako tsy mijanona........ Rivo-mahery sy oram-baratra, no mameno ny fiainana..... ) norosatan'i DOMINIQUE RABARAONA

Ireto avy no mandrafitra ny Tarika:
Dominique RABARAONA : Guitare Bass, vocal, chef du groupe, arrangeur, créateur, compositeur.

Allias Henintsoa Finaritra AACHÎM Andrianatoandro: Guitare solo, vocal, arrangeur, créateur, compositeur.

Dylan RABARAONA : Guitare solo, vocal, arrangeur, créateur, compositeur.

Ritchie RABARAONA : Son.

Othniel Fitiavana : Drums.



Ny D.O.M dia tia ny mpiara-belona amin'ny mba hiara-hifampitantana any an-danitra rehefa tonga ny fotoana, ary misokatra amin'ny olona rehetra.
Allias Aachîm

Hevitra momba an'i D.O.M ROCK

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i D.O.M ROCK (2)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2213