Hevitra momba an'i Bodo

Hiverina amin'ny Bodo Hampiditra hevitra
Chiquitto ( 14/04/2004 10:59)
Efa hatramin'ny fahazaza no nahafantarako azy, ankizy niara-nilalao sy niara-lehibe tao Antanimena izahay. IFafah no fiantso azy, ary hatramin'izao dia mbola io anarana io foana no tiany hiantsoanay sakaizany fahazaza azy. Sariaka tsy mba miavona izy, ary na dia teo aza ny taona maro tsy nihaonana ka tafahoana indray izahay nandritra ny fampisehoana ny fitiavana marina tao Fianarantsoa, dia tsy niova mihintsy ny fifandraisanay. Mirary soa azy mandrakariva eo amin'ny lafiny mozika ary mampahery azy!
andrianina ( 20/03/2004 06:27)
Tamin'ny 1993 izy no namoaka ny rakikirany voalohany:SOMBINAIKO.Tamin'io taona io ihany koa izy no voafidy ho Ambassadrice des Enfants teo anivon'ny UNICEF.Maro ireo fampisehoana lehibe nandraisany anjara toy ny BIG CITY NIGHT sy ny MADAJAZZCAR.Tamin'ny 1994 dia voafidy hisolo tena an'i Madagascar tamin'ny deuxième jeux de la francophonie ka tamin'izany no nahazoany ny médaille d'argent.
andrianina ( 13/03/2004 05:43)
Bodo! Izy no mpihira ankafiziko indrindra eto Madagasikara,manana feo miavaka izy.
Eo @ samy mpanakanto dia izy no azo lazaina fa niara-niasa t@ artiste be indrindra hita taratra izany t@ ireo fampiharahampeo nataony.
Hitantsika angamba fa somary miavaka kely ny fomba fitafiny, tsy dia fahita andavanandro ka somary manohana ny olona sasany nefa amiko manokana dia tsy mampaninona ahy fa izay no maha mpanakanto azy.
bindy ( 12/02/2004 06:53)
Marina tokoa izany voalaza rehetra izany, tsara feo izy, ary ny zavatra tsapako hatramin'izao dia mbola izy ihany aloha no manana ilay hatao maitrise-na vocal e! ary tena henjana be ilay fahaizany, fa tsara halaina tahaka izany izy ho an'ny andriambavilanitra vao misondrotra amin'io tantara io !

fa ny indro ely moa tsy maintsy misy foana dia ity : be loatra ilay zavatra sahaniny, ary ny zavatra iray izay tena matetika mahakivy ny mpankafy, na ny mpiheno dia ity resaka fanatontoloana ity, variana manenjika ilay araka ny zava-misy ny mpanakanto ankehitrio dia manary ny fahaizana nentimpaharazana.

Raha izaho izao no miteny anareo dia aleoko miheno an'i Bodo tamin'ny izy taloha be, le karan'ilay hoe : "miandry foana, heart breaker, ry foko, ...." version original taloha, fa ny nanaovany azy ankehitriny tena efa lasa mitady hanimba sofina indray. hatramin'izay niovany arrangeur izay, tsara kokoa zany izy niaraka tamin-dry Veve, Franck, Malala, Naivo sns..., toy izay izy miaraka amin'ireto ankehitrio ireto, toy Ra-Danz, Naly, ... ry zalahy ireny mantsy afaka hatao hoe mahay, fa sady mahay izy no hita ihany koa hoe vao mianatra, no mitsapatsapa, vao maka expérience e! de tsy maintsy mba misy fail kely foana.

Fa bref, tsara zany i Bodo sy ny hirany ilay taloha indrindra indrindra, feo izy tena mampihaiky tanteraka.

fa ny manitiitika ny saiko de ilay izy hoe niteraka tsy evohoka e ? mba misy afaka manazava ahy an'izay ve ?
alexrayd ( 22/01/2004 06:35)
Tongava daolo amin'ny 15 février ao @ Palais fa anisan'ny fiverenan'i BODO io e !
alexrayd ( 13/12/2003 07:52)
Izy dia tena tsara fanahy sady tsy miavona. Mananjanaka izy i Mitia, mitsikitsiky tahaka azy ihany. Efa nivoaka ny album an'azy farany "Aina miray"
FAFAH ( 06/12/2003 08:31)
bodo = mpanjakavavin'ny sehatra malagsy, na am feony na am fihetsika sy fitafy eny ambony sehatra.
wawawa ( 18/11/2003 22:48)
Bodo izany dia tovovavy manga feo, tsara feo tokoa ary mahatakatra hira ambony.
Heriniaina ( 21/10/2001 17:45)
Ampy izay

Aza atamberinao ny omalintsika teo iny
Na te handre aza tsy tantko
Izaho 'lay nilaozanao, ny antony tsy hay
Efa im-piry aho no voa toa izay
Ireo toetra ratsinao, maneho fa tsy tia ahy
Voa maika koa mitana ny fitiavako hivay
Aza miala tsiny ianao, na miteny hoe tsy nahy
Satria aho efa tomany indray
Ampy ahy izay
Ianao 'lay tsy foiko
Ankahalaiko
Na tsy ho afaka ato an-tsaiko
Aza mikasia ahy na kpoa manontany
Ny tambitambinao no ziogako
Ny orako fanaonao ary ny teny mamy
Avalony ndrao mambabo ahy
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1874