Hevitra momba an'i Bodo

Hiverina amin'ny Bodo Hampiditra hevitra
Santiona ( 01/06/2006 07:35)
ry zareo a,
Mba manontany tena aho hoe fa maninona ny hiran'i Bodo sasany no tsy tafiditra anaty album indrindra ireny taloha be ireny?
Ohatra amin'izany: neny, dada, fisarahana, ento aho,... mbola misy ilay: "ny andro maizim-bavavilany..."
Mino izahay "fan" fa horaketina anaty album manokana ireny hira ireny izay nahafantarana voalohany an'i Bodo.
olga ( 06/05/2006 08:08)
Tsy hitako izay lazaina fa toa efa voalazanareo daholo izy izany,TIAKO FOSINY I BODO TSY ASIANA HOE NAHOANA........
DevineIzary ( 21/04/2006 18:27)
Bodo no tena pihira malagasy tena tsapako oe tena tsara feo sy mambabo oe zany ka feo. ananako daolo ny album-ny sauf lé farany satria vao nivoaka lé izy no niala tany Dago a nefa misy an-lé hirany ray iny tiako ho enoina b zany
sarobidy ( 03/04/2006 06:51)
Tiko fôna izy na izany aza hihihi
mimibe ( 18/03/2006 08:35)
za manokana dia mpakafia BODO à 100/100 mihintsy e.na feo,na hira,fiankanjo de tjs au top izy.ny hirany tiako daholo fa ny tena mahababo ny foko dia:"embona,tsaroany,fenonao...".ny mamako aloha no tena nijery ny concert ny BODO rehetra,tsy tapaka mihintsy...dia avy eo dia nanomboka tia azy a.dia nanao collection ny album rehetra zay.
izany no atao hoe tena mpihira an...
zay fa mankafihiza azy foana e...
Lolita ( 13/03/2006 09:17)
Moi j'adore Bodo. J'kif grav 7 nana. El è superb. Ske j'admir le + ché el c sa voix. El sé géré sn souffl. Jme tromp?
siid ( 03/01/2006 15:20)
Raha izaho manokana dia tsy dia nihaino hira malagasy aho.Nisy namako nilaza tamiko indray taona izay hoe mba henoy 'lay "mamiko" an'i Bodo fa tsara be.
Nanomboka nihaino radio aho ary nihaino izay hiran'i BOdo mande amin'ny radio. Tsy henoko mihitsy ilay "mamiko" fa hirany hafa foana no henoko ary dia nanomboka tia an'i BOdo aho... babo tamin'ny hirany mihitsy.
Nanomboka nanao collection ny "album" bodo aho ary henoko iahany "mamiko" nony farany.
Tsotra ny teniko: mamiko.
miranajm ( 16/11/2005 12:50)
Misaotra an'ireo mpakafy Bodo ary mbola misaotra azy koa manome ny tsara indrindra, betsaka ny mpanaratsy nefa tsy atao mahakivy izany ra ny momba an'i Bodo dia " cette une personne avec un grand coeur"
revaka ( 26/10/2005 15:28)
Izao dia tsy dia mpihaino hira gasy taloha fa i Bodo no nanomboako satria izao mahita fa miavak'Izy ary tena manana talenta.
nounoum ( 26/09/2005 14:53)
i Bodo ve?
Tsy hay refesina ny fitiavako azy @ maha-mpihira azy satria izy dia mpihira miavaka raha samy gasy fa n\' aiza n\' aiza enao maheno ny hirany dia maheno fitiavana foana ianao aminy izay miampita aminao . Tsara izy ary tsy misy toa azy raha mpihira gasy. Na inona na inona ny gadon-kira ataony dia tafavoakany foana ilay maha Bodo azy satria mikoriana ao aminy mihintsy ny fitiavana ny kanto
harotiana ( 28/07/2005 11:26)
Bodo a le coeur sur la main. On ne peut que l'apprécier. Rien que son sourire, sa façon de chanter et on voit tout de suite sa grande générosité. Merci Fafa.
iriko ( 03/05/2005 06:11)
when i just got back from America,then I became an english teacher . I have tought many Malagasy singers,but Bodo is my favorite ones.
Now I am back in America and I sing and listen to her songs everyday. I WISH THAT SHE CAN STILL SPEAK ENGLISH OR EVEN BETTER THAN THAT TIME . I WANT TO WRITE TO YOU TOO (BODO) IF YOU WISH.
THANK YOU
GOOD LUCK
rabilabila ( 08/03/2005 17:30)
Hoy izy:"Parlez de moi ,en bien ou en mal,il en restera toujours quelquechose".
Mihary91 ( 16/02/2005 16:44)
i bodo dia mpiantsara velatsihy! Tompon'i dosol izay mpamitaka artista tokoa. anontanio ireo efa voa.
baina ( 10/01/2005 17:55)
Miarahaban'ny mpakafia an'i Bodo rehetra!I Bodo dia sy Terakaly dia efa nanao fampisehoana taty à genève t@ 11 Jona 2004.
bryan ( 19/12/2004 19:23)
tohin'ny efa nosoratako tery aloha
nijery ny spectaclen'i Bodo tao Bondy aho tsara de tsara tokoa satria nisy an'i Rija , Luc, Mahery? Vao maika nahafatifaty loatra lay fampisehoana, nanantona an'i Bodo aho tamin'ny firavàna fa tena tsy tadidiny rey- olona a, sa za angamba efa lasa antitra be ko???hahahah tsy maninn fa ny zava-dehibe de ny nahafahany niala tany an-taninadrazana mba "hizara hafaliana , hitondra hafaliana hiombonako aminy ampy izay ho anay" ka nandany ny hery rehetra na ara-pitaovana na ara-bola na .... ny rehetra e, tsara Bodo a, tohizo ary aza adino fa mangetaheta anareo mpanakanto Alagasy izahay aty ampitan-dranomasina mila ravin'ahitra fa sanatria mitsoaka adidy akory. fa izao : fa naninona ary raha mba natsoina i Landy mba nanampy tao tsara koa ange ny duo Rija-Landy e, nefa i Landy aty frantsa ihany e, izany no mba (raha azo tanterahona Bodo) de ny mba hiaraka aty ny hoe -BODO-POOPY-LANDY, fa angamba tena tonga de tsy manao tsy ombialoha ny olona fa miakatra aty daolo na ny any amin'ny province aza, mba jereo hoe ry Fafah!!!!!!!!!de mba omeo ny valiny eny an-tsefantsefan-dàlana rehetra eny e
rabilabila ( 28/08/2004 15:53)
Somary manampy kely aho rhefa avy namaky ny moma azy soratanareo etsy ambany:
Raha eo amin'ny sehatrin'ny hira dia marina fa manam-peo i Bodo ary tsy manam-paharoa ny fehony.Ny tena tiako marihina eto dia:
Betska ireo mpanan-kanto ao Madagasikara ,betsaka no hitako (nanomboka tamindry Henri Ratsimbazafy ,ry Bessa ,ry Mahaleo, ry Lolo , ry Vola sy Noro ....) ,fa azo lazaina hoe nitondra zavatra betska izy teo amin'ny fivoarana amin'ny fiakarana an-tsehatra ,azo lazaina angmba hoe izy no anisan'ireo nanokatra ny làlan'ireo zatovo ankehitriny,ary anisan'ireo mba nanome fialam-boly ho an'ireo tanora malagasy.
Ary ,indrindra indrindra , izy no mpanan-kanto voalohany ni -"intégrer " tao amin'ny ekipany ireo mpanan-talenta eraky ny lafy valon'i Madagasikara. Amiko dia io no zava-dehibe indrindra .
Hoy izy hoe:
MALAGASY IANAO ?KA TOKANA IHANY NY TENINAO
MALAGASY IANAO ?GASIKARA NO TANINDRZANAO
FIRAISANKINA NO HARENAN'NY TANINAO
FANAVAKAVAHANA TSY HIANTRA AMIN'NY TARANAKAO.............
Misaotra
rabilabila ( 28/08/2004 15:33)
ho anareo izay mahalala an'i Bodo dia ampiako kely ny c.v. -ny :
Teraka tao Antanimena i Bodo ,tao amin'ny IVR65, ary tao an-tokotaniny no nalevona ny tavoniny .
Nianatra tao amin'ny ECOLE PRIVEE UNION CHRETIENNE tao Tsaramasay.
Ny reniny Madame Esperance no nitantana ny tanany hanoratra voalohany ,toy ireo iray tam-po aminy rehetra satria izy no mpampianatra kilasy 12 ième tamin'izany.
Voafehy tsara ny fahazazan'izireo nonon'ny maha mpampianatra ny reniny ,ary ny maha pasitera ny raibeny angamba tsy vahiny loatra amin'ny fomba nitaizana an-drizareo.
Nira lehibe izahay ,niara nivarotra mofo baolina rehefa firavan'ny sekoly satria marinina fa fianakaviana azo atao hoe tao anatin'ny fahasahiranana tanteraka izy, tsy natao ambanin-javatra anefa ny fikolokoloina sy ny fianarana,ka na dia tao anatin'izany aza dia tafita ny maro amin'ireo mpiray tampo aminy.
Amin'izao fotoana izao dia mbola tsy manan-karena ara-bola ihany izy satria ny hny mba hananany dia zarainy amin'ireo iray tampo sy ny ray aman-dreniny.
Azo lazaina hoe ny harenan'i Bodo dia ny fitiavany olona ,ary betska ny mamaly izany aminy .Olon'ny fo izy fa tsy mba mitontaly rehefa manao zavatra iray ,mety ho diso izy amin'izay zavatra nofinidiny , nefa amin'ny maha olon'ny fo azy dia mamela azy ny maro amintsika .
Izay no mba tiako ambara amin'ny momba azy.
Misaotra indrindra
bryan ( 13/07/2004 11:52)
niara-nianatra izahay tany amin'ny CEG 67 Ha, sariaka hatramin'izay i bodo fa i Fafah no fiantsoana azy tamin'izany, nifanao aloha sy aorianamihitsy, niaraka nanao cours tany isotry izahay tamin'y classe de 3 è fa nandalo kely fotsiny izy, avy eo izy nianatra tao amin'ny CEG antanimena fa eo akaiky eo koa moa ny tranony, mpanao sambos sy nem ary mofo sakay rizareo tamin'izany dia hitondrany taim-piraka foana izahay, namako ihany koa ny sipany voalohany, jacquot no anarany, hitako taty paris izy (spectacle Massy) izy tamin'ny farany teo, fa tsy tadidiny aho fa angamba efa niova be mihitsy, i Nini na Julie (choristen'i Poopy taloha) no tena namany tany amin'ny CEG ary efa samy tia nihira izy roa vavy tamin'izany niaraka taminay, vorom-potsy miaradia no mba fihiranay matetika raha tsy diso aho, dia vola sy noro, sns, rehefa heure creuse iny, tsy niavona izy nefa tsy dia nanana namana betsaka koa, mahay mifandray tsara amin'olona izy , mpiaraka nianatra tao amin'ny bibliotheque DOM (Sovietique) Antaninarenina ihany koa izahay tamin'izy nianatra tao amin'ny Galienni, efa niaraka tamin'i Mamy vadiny io izy tamin'izany 1984-1987 raha tsy diso ny fitadidiako, tsotra sady tia mitsiky foana izy saingy somary possessive sy ferme izay ihany rehefa miteny sy manao zavatra, hatrany am-pianarana io an, izay aloha fa amin'ny manaraka indray
voninkazokely ( 24/06/2004 05:48)
Efa nianatra tao amin'ny CHRETIENNE ( Ankazomanga ) i BODO
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4072