&Ayn'S
Hampiditra sary Nampiditra Fandi
12 ora lasa
Hiran'i &Ayn'S 4 Jereo eto
Vangy : 14
Mpankafy : 0 Ankafizo
12 ora lasa
Hiran'i &Ayn'S 4 Jereo eto
Vangy : 14
Mpankafy : 0 Ankafizo
Mombamomba azy
&Ayn’S dia tarika mozika avy eto Antananarivo, Madagascar, niorina tamin’ny taona 2017. Na dia nisy aza ny fisarahan’ireo mpikambana voalohany, dia mbola nanohy ny lalana ara-mozika irery i Nouckah (Rajoelimandimby Fandeferaniaina).Tamin’ny taona 2021, nihaona tamin’i Fantsikalo (Andrianjafison Herinavalona) izy ary niara-namelona indray ny tarika &Ayn’S. Nanao hira an-dalana izy ireo ary nifantoka tamin’ny gadona R&B, Urbain ary Afro, izay nanampy tamin’ny fananganana ny maha-izy azy ny mozikan’izy ireo. Tamin’io taona io ihany koa no nanombohan’izy ireo nikarakara ny album voalohany.
Tamin’ny 2025 dia nivoaka ny album voalohany mitondra ny lohateny “Welcome”, ahitana hira 8, izay efa hita amin’ny sehatra streaming maro. Tamin’io taona io ihany koa, nivoaka ny clip voalohany ho an’ny hira “Avelao”, niarahana tamin’i Rafidison Urbain.
Hevitra momba an'i &Ayn'S
Mbola tsisy nametraka hevitra
