Foko Lasanao (&Ayn'S)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain :Tiako ianao , ilay teny iray
Noraisiko , mandrakizay
Ny fiainako , tao feno anao
Ilay foko , efa lasanao
Couplet 1 :
Tiako mba hitoetra anilako eto foana ianao
Misy hitarainako mba iaraka ilalao
Mahatsiaro sambatra ery , ilay eo anilanao
Tsy mba niahiahy
Fa tsapako hatrizay
Inty ny foko , atolotro ho anao
Fa aza misento , fa izao tsy handao
Foko lasanao , lasanao hatramin'ny hodiny
Ilay fitiavako anao , tsy mba ho haokikodiny
Tsy hoe mizarazara omeko ny hafa izy androany
Avereno indray ny ampitso
Fa ianao aza be totaly
Refrain:
Tiako ianao , ilay teny iray
Noraisiko , mandrakizay
Ny fiainako , tao feno anao
Ilay foko , efa lasanao
Couplet 2:
Ianao , ianao ilay anjely e
Mamy hatramizay ianao , nataoko toin' ny tantely eh
Aza manahy , fa tsy ho vitako ny hanary anao
Raha fitiavana no tsy ampy , hoavy anambitamby anao
Inty ny foko , atolotro ho anao
Fa aza misento , fa izao tsy handao
Efa lasanao , tsy misy aniza an
Ilay fo mitempo
Tsy ho afindra an , izay lazao azy any
Refrain: Tiako ianao , ilay teny iray
Noraisiko , mandrakizay
Ny fiainako , tao feno anao
Ilay foko , efa lasanao
...........
Refrain:
Tiako ianao , ilay teny iray
Noraisiko , mandrakizay
Ny fiainako , tao feno anao
Ilay foko , efa lasanao.
--------
Rohy:
