Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ramano be galona
Ny tanin-dRamano ô Dia tany zana-tany é Ny tany tamin’izany Mbola feno zana-tany Nanainga i Ramano ô Tsy afaka nandà e ! Nirongo basy lava Nilanja barda a Ady no naleha tsy anaovana kinangy e Nitifitra na maty nefa olo zana-tany Naverina Ramano ô Tsy maty nefa angano ô Ny vanja zay nipoaka Nanjanaka ny lohany Galonan’dRamano ô Dia nisy tena izy é Fa nisy nampihomehy Nampihoraka ny ankizy Satria kapsily Sy fatina bilao Korintsana eny an-tratrany Grade be tsy zakany Nalevona omaly Ramano be galona Reo mpananihany Nanjary nitomany Ny tanin-dRamano ô Dia tany zanatany Ny tany tamin’izany Mbola feno zana-tany
