Ampidiro aloha ny tenimiafina
IANAREO ZANAKO
IANAREO ZANAKO sol mim Namoronako ny tsy nanànako, sol mim Nanakarako ny tsy azon'ny tànako, lam mim Nandaniako izay kely fananako, lam re Ianareo zanako... Ts'isy tany nihoriranako, Matetika tsy nihinanako, Aretina aza mbola nitsanganako, Noho ianareo zanako... sol sim mim Satria, tsy misy maniry, lam do re Ireo voa nafafy no ratsy faniry; sim mim lam Samy mikolo sy mikely aina, do sol Mba ny solo hojinjaina, sol re7 sol Hanana ny tsara hoandrandraina. Be ny làlana saika nandehanako, Ny sampanana saika nivilianako, Nefa ny mahitsy no notanako, Noho ianareo zanako... Matetika, nikapoka ny tànako, Nisy fotoana tsy maintsy nihenjanako, Mahery, angamba, hoy ianareo ny fitantànako, Nefa ho anareo zanako... Satria, tsy misy maniry, Ireo voa nafafy no ratsy faniry; Samy mikolo sy mikely aina, Mba ny solo hojinjaina, Hanana ny tsara hjoandrandraina. Na noana aza aho, ianareo no nofahanako, Ho anareo no nifaninanako, Izay sitrapoko zary nobahanako, Noho ianareo zanako... Fa ho avy ny anro tsy hitsanganako, Fotoana izay tsy maintsy handehanako, Nisy anareo tety nisahiranako, Izay no fiadanako... Ianareo ho tsara faniry, Hiroborobo, holavitry ny hirifiry, Izay no valin-kasasarana, Tojo ho hasambarana, Ho ahy any am-pitsaharana! Dadah
