Volavie

Nampiditra raozigasy
02/05/2013 22:27
Hiran'i Volavie 14 Jereo eto
Vangy : 1780
Mpankafy : 0 Ankafizo
Volavia no anarana nofidiako ho entina eo amin’ny sehatry ny kanto. Vola satria sombiny notsoahina tamin’ny fanampin’anarako, vola satria hozatry ny fiainana. “Vie” ilay fiainana lalovantsika rehetra ifampizarantrsika ny kanto sy ny hira. Ireo no natambatro ho ho Volavie.

Ny raki-kira navoakako dia ilay “Balade” izay ahitana karazan-kira maro : misy amin’ny teny frantsay, teny anglisy, tany Malagasy ofisialy, tenim-paritra isan-karazany indrindra fa avy any amin’ny faritra avaratr’ Sofia (izay anisan’ny tany niaviako) Ny gadona ihany koa dia mitety faritra maro satria hita ao ny salegy, antosy, basesa

Izaho dia sady mihira no mampandihy, ary io farany io no tena manavanana ahy satria efa 15 taona aho no niaka-tsehatra niaraka tamina tarika mpampandihy, mialoha izao famoahana izao raki-kira izao

Tsy mamorona aho fa ny zokiko no mpamorona ny hirako. Misy koa anefa olona hafa izay isaorako manokana eto dia Atoa Razanatsoavina Christian izay naolotra ny sangan’asany hiraina ao amin’ity raki-kira ity. Misokatra amin’ireo izay mazoto hiara-miasa Volavie ary maniry izany indrindra koa.

Ho avy tsy ho ela ny “concert de promotion” sy ny “tournée » eto France. Rtsy adino koa ny any an-tanindrazana amin’ny 2014

Afaka vidiana ao amin’ny Bazarbe ao Kremlin Bicetre ny CD ary hivoaka tsy ho ela ao amin’ny Super Music ao Analakely

Ny hafatr’I Volavia dia fohy :
Manentana ny mpanjifa mba handray anjara amin’ny fividianana ny CD fa tsy hanao “pirate” fa izany no
Mamelona ny lanjan’ny kolontsaina Malagasy ary koa mampazoto ireo mpamorona ka tsy hahafaty ny talentany.

Raha maniry hifandray amin’I Volavie dia afaka miantso ny 00 33 6 32 70 89 24 na manoratra amin’ny urazafimihanta@yahoo.com . Azo tsidihina ihany koa ny facebook Volavie

Hevitra momba an'i Volavie

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i Volavie (14)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0233