Volavie
All photos...
Submitted by raozigasy 02/05/2013 22:27
Volavie's song 14 Click here
Hits : 1870
Likes : 0 Like
More info
Volavia no anarana nofidiako ho entina eo amin’ny sehatry ny kanto. Vola satria sombiny notsoahina tamin’ny fanampin’anarako, vola satria hozatry ny fiainana. “Vie” ilay fiainana lalovantsika rehetra ifampizarantrsika ny kanto sy ny hira. Ireo no natambatro ho ho Volavie.Ny raki-kira navoakako dia ilay “Balade” izay ahitana karazan-kira maro : misy amin’ny teny frantsay, teny anglisy, tany Malagasy ofisialy, tenim-paritra isan-karazany indrindra fa avy any amin’ny faritra avaratr’ Sofia (izay anisan’ny tany niaviako) Ny gadona ihany koa dia mitety faritra maro satria hita ao ny salegy, antosy, basesa
Izaho dia sady mihira no mampandihy, ary io farany io no tena manavanana ahy satria efa 15 taona aho no niaka-tsehatra niaraka tamina tarika mpampandihy, mialoha izao famoahana izao raki-kira izao
Tsy mamorona aho fa ny zokiko no mpamorona ny hirako. Misy koa anefa olona hafa izay isaorako manokana eto dia Atoa Razanatsoavina Christian izay naolotra ny sangan’asany hiraina ao amin’ity raki-kira ity. Misokatra amin’ireo izay mazoto hiara-miasa Volavie ary maniry izany indrindra koa.
Ho avy tsy ho ela ny “concert de promotion” sy ny “tournée » eto France. Rtsy adino koa ny any an-tanindrazana amin’ny 2014
Afaka vidiana ao amin’ny Bazarbe ao Kremlin Bicetre ny CD ary hivoaka tsy ho ela ao amin’ny Super Music ao Analakely
Ny hafatr’I Volavia dia fohy :
Manentana ny mpanjifa mba handray anjara amin’ny fividianana ny CD fa tsy hanao “pirate” fa izany no
Mamelona ny lanjan’ny kolontsaina Malagasy ary koa mampazoto ireo mpamorona ka tsy hahafaty ny talentany.
Raha maniry hifandray amin’I Volavie dia afaka miantso ny 00 33 6 32 70 89 24 na manoratra amin’ny urazafimihanta@yahoo.com . Azo tsidihina ihany koa ny facebook Volavie
Comments about Volavie
No comment found