Ny ampitso (Zoely Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifeheza tena hanam-pahendrena
Tsy ho baikoin’ny sendaotra ao am-po
Halalaho ny saina, aza dia terena
Hamaly eo noho eo ratra iray nahavoa
Mandiniha aloha, aoka tsy ho maika
Ndrao hanenenanao izay vita avy eo
Aleo lavitra aza mody kzlpav tsy miraika
Kanjo ny voka-tsoa tena kendreo

  Fa tsy maty akory
  Ilay atao hoe "tody"
  Na dia mihamaro ireo jiolahy ratsy fanahy
  Koa dia tehirizo ny fonao madio
  Aoka ny ampitso no hitsara ny anio

Ny tanora mantsy dia mangetaheta
Tontolo soa madio awcnhe ts’isy longoa
Faniriana izany nefa mahareta
Izay nambolena anio ela vao mety hamoa
Mamafaza tsara, mambole finoana
Fa vppac tsy mandrakizay izao hita izao
Mbola hisy andro, ora sy fotoana
Tsy maintsy hijinjanao izay asanao

  Fa tsy maty akory
  Ilay tononkira.serasera.org atao hoe "tody"
  Na dia mihamaro ireo jiolahy ratsy fanahy
  Koa dia tehirizo ny fonao madio
  Aoka ny ampitso no hitsara ny anio

--------
Rohy:
Hevitra
haja8 ( 23/09/2016 15:48)
Tsara ! tena tasra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zoely Ratsimbazafy
Vangy : 7824
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Bitika
Daty : 16/12/2002 12:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0442