niova loko (Timothy Ministry)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy mahasakana rehefa ianao no miasa Tsy misy mahatohitra ny herinao mahagaga
Efa izay mihintsy no maha IZY anao .
Nanolotra ny Ainy mba ho soa ny zanakao
Fa Mbola mino aho fa hainy atao
Dia matoky ny fisiany aho e...
Mahay mijoro aho fa misy anao
Tsy farofy intsony fa vokisanao e
Tsy misy mahasolo ny Rá nalatsakao
Izay rehetra mino azy dia ho olombaovao
Ampiasao mba ho tany mamokatra aho
Amelana ny tontolo ara-panahy
Hamoa voa tsara
Hanaraka ny sitrapony aho dia anome lanja ny fisiany satria andova ny fanjakany aho .
Ref : Fandreseko ianao , vatolampiko
Ara-mbato fiafenako ,izao natsanganao
Ho tantara vaovao ,sambatra aho fa niova loko
Bridge : Ampiasao mba ho tany mamokatra ,hamelana ny tontolo ara-panahy hamoa voa tsara
Hanaraka ny sitrapony aho dia anome lanja ny fisiany satria andova ny fanjakany aho
Ref: Fandreseko ianao vatolampiko
Ara-mbato fiafenako izao natsanganao ho
Tantara vaovao sambatrao fa niova loko
#A/C: Aina kaleba
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Timothy MinistryVisites : 17
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Pouni24
Date : 09/03/2026 05:57
