Tantano (Timothy Ministry)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo o ity foko ity mila fanasitranana
amboary mba tsy ho lavitra Anao
vontosy ny hosotrao
mba tsy hangatsiatsiaka ny fanahiko
aoka ho olomasina ao amin’ny sitraponao
sokafy ny lalako
hizorako amin’ny fahamarinanao
aoka Ianao hameno ahy
Ampitombo ny fanahy
Sokafy ny lalako
Hizorako amin’ny fahamarinanao
aoka Ianao hameno ahy hampitombo ny fanahy
Tantano ny fiainako Tompo o
Fa mila anao hatrany hatrany aho
Tohano mba tsy ho lavo fa hiankina aminao
atsangano hijoro eo anatrehanao
Ny anilanao no mahatsara ahy
Ampy ahy ny fitiavanao
ampy ahy ny fahasoavanao
Tsy miady irery aho fa manana Anao
Ampy ho ahy ny fahasoavanao
Tsy resy intsony aho fa natsanganao
Faly aho fa manana anao
Tantano ny fiainako Tompo o
Fa mila anao hatrany hatrany aho
Tohano mba tsy ho lavo fa hiankina aminao
atsangano hijoro eo anatrehanao
Ny anilanao no mahatsara ahy
Ampy ahy ny fitiavanao
ampy ahy ny fahasoavanao
Tohano mba tsy ho lavo fa hiankina aminao
atsangano hijoro eo anatrehanao
Ny anilanao no mahatsara ahy
Ampy ahy ny fitiavanao
ampy ahy ny fahasoavanao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Timothy MinistryVisites : 573
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mendrika27
Date : 02/05/2025 15:42
