Tsika roa (theo rakotovao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahatsiaro ny taloha
Vao niarahan-tsika roa
Ka mila ho lasa adala aho,
Indri..sy izao niafarany.

Fiarahana mamy
Nahitana ny soa
Hitan'olon-kafa,
Natao..ny izay hampiova anao.

Manantena anefa aho,
Fa tsy sahinao ny handao
Resak'olo na maro,
Tsy handaozanao tokan-trano
Tsika roa.
....
Hmm!
Kely saina ianao
Raha nahavita izay tiany atao Heloka be vava,
F'ilay voa..dy nataonao mpitsara, an! an! an!

'Zaho hanaja ny teny nihozonako hoe:
An!, "Tsy hitady olon-kafa aho", lôlôlôlileo! aah!!
Fa mia..ndry anao ato an-trano.
....
K'aza ilaozanao aho
Fa tsy nisy ratsy nataoko
Vavan'olona ve?
Nampiova anao ho andeha.

Manantena anefa aho,
Fa tsy sahinao ny handao
Resak'olo na maro,
Tsy handaozanao tokan-trano
Tsika roa.
.... Ho! ooho! oo! ho! ooh!
....Ah!!

Manantena anefa aho,
Fa tsy sahinao ny handao
Resak'olo na maro, ah!
Tsy handaozanao tokan-trano
*Tsika roa.(x5)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : theo rakotovao
Vangy : 58
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 17/02/2026 20:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0297