AIZA HO AIZA! (Tarika SAKAIZA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ihany re izy ity,
Ny tary toa ho faty noana a!
Toa manify be lery,
Ny monjy tonga any an-tanàna a!

Nefa ianao raha mba mandeha,
Ny amidy @ tsy rariny be dia be!
Tena lafo anefa dia eny an’arabe.

Isika anie mazava raha izany,
Nofinofy ny hoe ho tafita ary!
Hatram’izao aloha ny ambony ambony ihany,
Fa ny ambany hatraiza marina izy ity.

Io indray anie ka mandeha foana a!
Fa izaho angaha no ho faty noana a!

Ity fiainana ity efa sarotra,
Ny karama tsy hita be ihany an!
Ny sakafo lery tsy hiadimbarotra,
Mila ahalatsaka tomany an!
Isika anie izany mifampihinana an-toerana ihany an!
Ny ambony angamba ambony fa ny ambany,
D’izany ambany izany an!

Ho aiza isika ity lery?
Toa mihamaizina izy izany an!
Mety ho fanina ny aty,
Raha izao tsy misy fiovana a!
Vidimpiainana miakatra hatrany,
Mila tsy ho takatry ny ambany!
Tsy ho takatry ny ambany.
Mifanjevo @ mafy mila ts’hitafy!

Lerony ambony mahatakatra an’izany!
Mihinana ny ampy hatrany hatrany.
Fa ialahy aty ambanimbany,
Atsy ho atsy mety ts’hikaly!
Koa mba mailomailo ihany ialahy lery,
Fa aza dia variana voaverivery dia!
Fa ialahy ambanimbany atsy ho atsy,
Mety ho faty ts’ hikaly...!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika SAKAIZA
Vangy : 2535
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Est
Daty : 06/12/2004 00:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738