EFA FANTATRO, HAINAO (Tarika SAKAIZA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ny tontolo rehetrakoTsisy miafina aminao
Izay rehetra tiako atao ihany koa
Petrapetraka aminao
Ny hadalana izay mba vitako
Eny noleferinao
Ny kilema toetra ratsiko
Loza nefa zakanao
Tsy hisalasasalana
Ny fitiavana raha aminao
Tsy hihambahambana akia
Foko zay voabahanao
Fa tiako e, tsisy resaka
Tiako tena tiako ianao
Ny amiko tontolo akia
Tsapako tsianjerinao
Dongidongy, hantahantako
Fanafodiny aminao
Kitakita, hatezerako
Fanefitra azy hitanao
Zay rehetra vinavinako
Petrapetraka aminao
Fantatro fa raha ny amiko
Tsisy miafina aminao
Tsy hisalasasalana
Ny fitiavana raha aminao
Tsy hihambahambana akia
Foko zay voabahanao
Fa tiako e, tsisy resaka
Tiako tena tiako ianao
Ny amiko tontolo akia
Tsapako tsianjerinao
--------
Rohy:
Hevitra

shafira
(
04/01/2021 21:25)
tsara ilay hira,mankasitraka an'ilay nandika an'ny tonony ô!
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tarika SAKAIZAVangy : 11245
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 26/11/2013 21:54