Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny kamboty (Ry kambana mirahalahy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsarovintsika ray olombelona f'ity tany ity ô!Ity tany ity tany fandalovana fa tsy mba mateza ô!
Ka mifankatiava raha mbola velona f'izany no tsara ô!
Tsarovintsika ray olombelona f'ity tany ity à !
Ity tany ity tany fandalovana fa tsy mba mateza ô!
Ka mifankatiava raha mbola velona f'izany no tsara ô!
Manarataratra vao maraina ho'aho ny tanamasoandro a !
Ka mitabataba ny ankizy kely velon-dray aman-dreny an!
Fa ireo kamboty tsy mba miteny, tsy manan-ko lazaina an!
Fa rehefa manjombona takariva ho'aho, ny masoandro lasa an
Dia manjeninjenitra ireo kamboty tsy mba manan-kantsoina an!
Ka manganohano ny ranomaso, maizimaizina irery ô!
Manarataratra vao maraina ho'aho ny tanamasoandro an!
Ka mitabataba ny ankizy kely velon-dray aman-dreny an!
Fa ireo kamboty tsy mba miteny, tsy manan-ko lazaina an!
Fa rehefa manjombona takariva ho'aho, ny masoandro lasa ô !
Dia manjeninjenitra ireo kamboty tsy mba manan-kantsoina an!
Ka manganohano ny ranomaso, maizimaizina irery e!
Sambatra kosa mantsy lehiretsy izay velon-dray sy reny an!
Raha miditra an-trano izy ireny mantsy dia manana itosiana an!
Miantso dada, miantso mama, diavolam-pararano an!
Fa ireo kamboty mba ahoana kosa ho'aho raha miditra an-trano an !
Raha miditra an-trano izy ranomaso no mijohy isan'andro an!
Ka hankaiza kosa mantsy rey olona f'izany no anjara ô!

Aza malahelo na mitomany lahy f'izany no anjara ô!
Honony ny saina sy ny eritreritra f'izao ny eto an-tany an!
Raha nahare izany ary ireo kamboty dia nijohy ny tomany an!
Ai ii ii ii ii ii, mahantra aho izany an!
Ai ii ii ii ii II, fa singany irery e!
I dada sy neny mantsy rey olona any am-pasa-mangina ô!
Aza malahelo na mitomany lahy f'izao no anjara an!
Honony ny saina sy ny eritreritra f'izao ny eto an-tany an!
Raha nahare izany ary ireo kamboty dia nijohy ny tomany an!
Ai ii ii ii ii ii, mahantra aho izany e!
Ai ii ii ii ii II,fa singany irery an!
I dada sy mama mantsy rey olona any am-pasa-mangina ô!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ry kambana mirahalahyVangy : 15
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : dahfara
Daty : 05/04/2026 06:31