Nefa (Rocco)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ankizikely izay
Teo an-dalambe
Kamboty velon-dray
Sy reny efa elabe
Niantso vonjy angamba
Na mety niantso tody
Nitafy voro-damba
Naniry ny mba hody
Izaho sy ianao nefa teo
Nifaly havanja ery
Toa tsy nandre ilay feo
Nihiaka mafy ery hoe

Nefa raha lazaiko ny alahelo
Mitoetra ao am-poko
Na ianao aza
Eny e! mety hitomany

Dia lasa ny saiko
Niampita ny arabe
Nahita ankizivavy
Nivaro-tena an-dalambe
Toa tsy laitran'ny hatsiaka
Sy ny aizina nikiky
Dia nihomehezantsika
Nihomehezana mangina
Asa angaha tsy tsapanao
F’izaho mihaino tsara
Lainga hoy ianao
Ilay atao hoe Fitia

Nefa raha lazaiko ny alahelo
Mitoetra ao am-poko
Na ianao aza
Eny e! Mety hitomany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rocco
Vangy : 8026
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Désiré Dauphin Rasolomampionona
Daty : 20/11/2003 12:39
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131