Hody va ianao ? (Rocco)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hody va ianao ?
Hody va ianao ?
Lalalala
Jereo lay tranokely
Toa mitomany
Sy malahelo
Ny rindrina aza toa
Mahatsiaro anao
Ka mila ho triatra
Isan’andro izao
Inona no hevitrao ?
Hody va ianao ?

Hody va ianao ?
Rahoviana no hody ianao ?
Raha sitrakao
Izaho anie aty
Ka mila tsy
Hahatsindry tsihy
Izaho tsy mba ho sahy
Ny hitomany
Hoe modia
Modia ianao
K'inona no hevitrao ?
Hody va ianao ?

Hody va ianao ?
Rahoviana no hody ianao
Raha sitrakao
Ny raozy an-jaridainao
No savolaina
Malahelo anao
Ny ... sy hira
Sy ny kalokalo
Niarahantska
Fony niara-droa
D' inona no hevitra ?
Dia izaho tsy hiandry anao

Raha toa ka misy hafa
Mahavariana anao
Lazao, lazao
Fa aza afenina
F’inona no hevitrao ?
F’izaho tsy hiandry anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rocco
Vangy : 1648
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 13/04/2015 20:24
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1793