Gasikarako (Ravelo Jean Baptiste (Rakotozanany Stanislas))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Gasikarako nosy sambatra
Tiako ianao, fa hany anjarako
Ianao no heriko sy aiko koa
Ka ho ela velona e ianao ry Gasikarako

Gasikarako nosy sambatra
Tiako ianao, fa hany anjarako
Ianao no heriko sy aiko koa
Ka ho ela velona  e ianao ry Gasikarako

Nosy sambatra, nosiko
Nosy mena, nosiko  
Nosy maitso,
Iantsoana anao izany ry Gasikarako
Ka ho tadidiako tahaka ny anarako

Nosy lehibe, nosiko
Tsara tarehy, nosiko
Mampirehareha
Ka tsy ho haiko hadinoana

Nosinay ianao ry Gasikara
Nosy tiana sady nosy mamy
Hira kanto no hasandratray hatrany
Ho ela velona ianao ry Gasikarako

Nosy sambatra, nosiko
Nosy mena, nosiko  
Nosy maitso,
Iantsoana anao izany ry Gasikarako
Ka ho tadidiako tahaka ny anarako

Nosy lehibe, nosiko
Tsara tarehy, nosiko
Mampirehareha
Ka tsy ho haiko hadinoana

Gasikarako nosy sambatra
Nosy tiana sady nosy mamy
Na izaho na ianao dia miara-miantso
Ho ela velona e, ianao, ry Gasikarako
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 27/06/2021 13:12)
Fa noheveriko misy an'i Noely foana ity hay nohenoiko tsara fa tsy misy azy.
hery ( 27/06/2021 13:17)
Ary misy tsy mitovy kay ilay nataony tamin'ny 1978 sy ilay vao nataony taty aoriana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ravelo Jean Baptiste (Rakotozanany Stanislas)
Vangy : 1603
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 26/06/2021 00:36
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016