Hevitra momba ny Hamoy sa hanantena

Hiverina amin'ny Hamoy sa hanantena Hampiditra hevitra
Kotsur ( 15 ora lasa)
Ny azo atao (fa tsy voatery izany) dia mampiditra "Ry ampitso ô Nahoana" (io no voasoratra eo amin'ny kapila) hirain'i Ranaivo-Ranarivelo. Tiako be.
Marihina mantsy fa mitovy ny tonony izay hinoako fa avy amin'i Gaston Raboana
Misaotra indrindra tompoko.
Kotsur ( 16 ora lasa)
Misaotra indrindra ry Hery. Finalement, ilay Version "Ry ampitso ô" ato amiko no hirain'i Ranaivo-Ranarivelo koa ary marina ny voalaza eo amin'ny kapila.
Mamerina ny fisaorana tompoko
hery ( 1 andro lasa)
Ireto ireo hira 2:
Feon'i Barijaona-Ry ampitso ô: https://radiovazogasy.com/radio/song/show/15844
Feon'i Ranaivo-Ranarivelo - Hamoy sa hanantena : https://radiovazogasy.com/radio/song/show/15843
Tsy mitovy ny feo. Fa mety misy an'io Hamoy sa hanantena io hiran'i Barijaona any aminao?
Raha misy dia averintsika ampidirina indray izy hirain'i Barijaona fa tsy maninona.
Kotsur ( 2 andro lasa)
Azoko alefa eto ve santionany 30 sec. ireo hira roa ireo ?
Kotsur ( 2 andro lasa)
Tena i Barijaona mihitsy no mihira kah, henoy tsara ange ary ampitahao amin'ilay hira ao ambadik'ilay kapila "Ry Ampitso ô! Nahoana"
hery ( 2 andro lasa)
Sao dia samy nihira azy indray ry zareo? Satria raha io kapila io dia misy soratra hoe Ranaivo-Ranarivelo.
Kotsur ( 3 andro lasa)
Rehefa nataoko ny fanadihadiana dia tokony atao ao anatin'ny sanga-peon'i Barijaona koa ity hira ity azafady indrindra.
Kotsur ( 3 andro lasa)
Kapila mitovy amin'ilay Ry ampitso ity (Pathé – PA 2794) ka araka ny voalaza :
Kalofahiny ( 19/01/2022 19:16)
Tonony: Gaston Raboana
Feony: Ranaivo-Ranarivelo
Mpihira: Ratsimbazafy Philibert Barijaona
Ka mety io farany io no mpihira fa tsy Ranaivo-Ranarivelo.
Tsy fantatro ny Auteur.
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0084