Neny malala 17 Jolay (Rampal(Rebika) & Fafah(Mahaleo)_ Dadhy Velkira)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Gedraka tsy nalefahanaIlay fifaliany ombieny ombieny
Tsingerin-taona mba naterahany
No namoizanao an'i Neny
Folak'andry niankinana
Toro-vato nandiavana
Solilam-pety mihilanilana
No mba vanin"androm-pahombiazana
I Neny malala ô
Nampiana-namindra
I Neny malala
Izay mamiko indrindra
Izay mamiko indrindra
Ny zanakao tia
Mahatsiaro isan-taona
Ilay tsingerin-taona
Volon'andro saona
Dia ilay tsingerin-taona
(Mozika)
Ireo fanomezana nalaina
Mba ho marim-pahatsiarovana
Indrisy tafasaraka aman'aina
Ny taona zara fa nitovana
Dia io Ilay varavarankely
Izay efa zatra anao ry Neny
Ataoko fiangaviana Anjely
Hitrotro am-bavaka an'i Neny
I Neny malala ô
Nampiana-namindra
I Neny malala
Izay mamiko indrindra
Izay mamiko indrindra
Ny zanakao tia
Mahatsiaro isan-taona
Ilay tsingerin-taona
Volon'andro saona
Dia ilay tsingerin-taona (X2)
Tonony & Feo: DADHY VELKIRA (NOMENJANAHARY Rado)
OMDA: 4837
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Rampal(Rebika) & Fafah(Mahaleo)_ Dadhy VelkiraVangy : 195
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Asampinga
Daty : 13/06/2025 14:51
