Mitia samy adala(Ô ry reto) (Peter'soul)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Peter: Nanontany ahy i Dada:Iza i Rakalakely?
Ialahy toa tsy hita lava fa ilaozana manjeny
’Zaho namaly mora:Izy ilay fitiavako,
Rah’zay sekoly aok’izay
f’izahay ho iray mandrakizay.
Ref: Ô! Ry reto an(x2)
Sahy rehefa mitia é(x2)
Nicole: Nanontany ahy koa i Neny:
’ndry toa vitsy teny
Sady alim-pody....ts’hita lava any an-tsekoly
Rah’zay fianaran’any Neny ô
Aok’hijanona fa tsy sahaza
’Zahay efa hivady...efa ho avy atsy ho atsy koa ny zaza
Ref: Ô! Ry reto an(x2) adala rehefa mitia é(x2)
Nicole:Hmmm! Na tsisy asa na tsy misy vola é
Peter :’Zahay efa mifankatia é
Nicole :Rano mangitsy fitiavana monja é
Peter : mahavelona anay ho doria ho’ ah
Duo : Ô! Ry reto an(x2) adala rehefa mitia é(x2)

P: Tsy nody isika omaly é ....fa variana tany an’ala
Samy nijaly ka nilaozana nisary adala
’Zaho nilomano é
N: ’Zaho nitantara angano é
P: Dia hadinontsika hoe isika anie ka bedy foana
Fa zarantsika koa moa aza afaka mihaona
Sady ny anao koa efa tsy tonga intsony ilay fotoana

Ref: Ô! Ry reto an...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Peter'soul
Vangy : 2231
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 22/03/2007 00:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729