You are here: home > Tononkira > Peter'soul

Paradisa (Peter'soul)

Raha vao nahita  anao
Dia  babonao  tanteraka  aho
hadinoko  avokoa  
ireo namako  taloha
Taratasy  iray
Nosoratako  ho  anao
Pi-masoko  indraindray
Mino  aho  fa  fantatrao
Ref: Izaho  maniry  anao
         Mahafatifaty  loatra  ianao
         ts’isy  intsony hasambarana
         Mihoatra  noho  ianao
  tononkira.serasera.org       tena  fatratra  mahery  ianao
         Mba  ho  lafatra  aho  raha  tianao
         Paradisa  vaovao  ho  ahy  ny eo  anilanao

mahafinaritra  ahy  ianao
tena  manja  tsotra  izao
Mahafatifaty  ery
Moa  tsy  maha-te  ho  tia
Ilay  fitiavako  iny
Lasanao  manontolo
Toy  ny  ts’isy  ireo  fahiny  
Fa  voafafanao  daholo

Ref

Mpihira : Peter'soul
Mpamaky : 2099
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 10/03/2007 22:30:28
ID : 4280

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo