Tsiaro (Ortegah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na efa lasa ny ela efa fafain'ny lera tantara tsika tsy adino
Ny omaly namela mamy niavaka raha samy tantara fahiny
Tsy aiko fafaina izay rehetra lasa teo anilanao iny
asa enao raha mahatsiaro ilay niandohana tena mbola matsiro

Fa fahatsiarovana sisa,bestaka ny zava-bita
dia izaho aty mitanisa saingy atao ahoana
Tantara feno disadisa,na lavitra enao mbola tiko
Mino aho fa mbola hifampitsiky tsika rehefa tafihaona

Ekeko hoe fitiavan-jaza fa sambatrao tamireny
Mbola tsy nitia hafa ankoatrano eto anio za miteny
Atreto ny fo mbola babo,raha misy fitia ihany any dia
Ho raisiko an-tanan-dro fa mbola miandry anao aho atreto

valio tsiky akia raha tsaronao
ilay TSIARO nameno fo  nitondra tantara kely
f'izaho aty mbola manantena
hoe indray andro,mbola hiaona,mbola iray ny lalana ee
valio tsiky akia raha tsaronao
Dia ny sariko mba fihino,ny akanjonao mbola hondanako ee
izaho aty mbola manantena
hoe indray andro,mbola hifanojo ny lalana ee
mmhh mhhh,hoe indray andro,mbola hifanojo ny lalana ee
oohh ,hoe indray andro

raha fantako hoe ho rava,teny aho dia efa nakanfy o
ekeko hoe mbola adala,ny foko mbola lasan'ndry oo
te hanoy ny lalako aho,ka nefa ny mbola ny tanan'ndry oo
no tiko hanoratra ny hoaviko
ny anaranao mbola tsy afaka ato an-doha
hirahiraiko isan'andro
mbola mitamberina ato an-tsaiko ny tsikinao
rehefa ilay  mody masoandro iny
tsy aiko enao raha mbola hiverina
fa za mbola sasa miandry
tsy dia hoe za mba miangavy
fa raha misy fitia tairo eto aty


Ekeko hoe fitiavan-jaza fa sambatrao tamireny
Mbola tsy nitia hafa ankoatrano eto anio za miteny
Atreto ny fo mbola babo,raha misy fitia ihany any dia
Ho raisiko an-tanan-dro fa mbola miandry anao aho atreto

valio tsiky akia raha tsaronao
ilay TSIARO nameno fo  nitondra tantara kely
f'izaho aty mbola manantena
hoe indray andro,mbola hiaona,mbola iray ny lalana ee
valio tsiky akia raha tsaronao
Dia ny sariko mba fihino,ny akanjonao mbola hondanako ee
izaho aty mbola manantena
hoe indray andro,mbola hifanojo ny lalana ee
mmhh mhhh,hoe indray andro,mbola hifanojo ny lalana ee
oohh ,hoe indray andro


Fa fahatsiarovana sisa,bestaka ny zava-bita
dia izaho aty mitanisa saingy atao ahoana
Tantara feno disadisa,na lavitra enao mbola tiko
Mino aho fa mbola hifampitsiky tsika rehefa tafihaona
----------------------D'art_Fy------------------------
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ortegah
Vangy : 300
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : DartFy
Daty : 16/08/2025 11:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0183