Tsisy kaontera (ft Rah-Ckiky) (Omyka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nareo  lehilahy misekoseko o
Manitsakitsa-bady io, tia mampirafy e
Fa magnino o, tsy mahatanty
Vao ny sipa no mi-roule na ny vady no mihodina e

Raha ny bandy mampirafy, magnino azo atao o ?
Raha ny sipa no manao o, marary fonao
Zah tsy hikozy maro o, hahatonga anao ho saro-piaro
Fa tsisy kaontera io o,  tsisy tableau  kilometrika
Tsy kobonao o, tsy fantatrao zay vitany tany e
Lovia,  lovia nihinanan-drafy efa vita sasa
Amin’io ialahy mikaly, amin’io ialahy mirevy,
Ratsy e, eka

Azafady ny bandy tsy te-hampirafy
Fa ny tsy fantatrao, ao anatiny ao mety misy manky
Ny lehilahy matoa tsy mahazaka
Dia ny fitiavana anareo no latsa-paka
Ny vy koa tsy mikitran-drery  ka aza mba be teniteny
Nareo aza manararaotra lay rano roa zinga dia mamingavinga
Nareo aza manararaotra ireo karazana pisa dia manitsaka lehilbahy
Taloha ny lehilahy raha mampirafy dia mikotikoty vehivavy
Ankehitriny manararaotra internet
Ka ny vehivavy indray no mitetitety karazana vedety

Maka ny an’olo toa tsisy antra
Ny anao alain’olo tsy mahazaka
Zah tsy hikozy bobaka, hahatonga anao hisahotaka
Fa tsisy kaontera io e, tsisy tableau  kilometrika
Tsy kobonao o, tsy fantatrao zay vitany tany
Lapoaly avy nanendasan-drafy tsara raha nisasa
Amin’io manao kasoka, amin’io ialahy miletra
Ratsy e, eka

Tsisy kaontera io dada aaa

Perso anie chérie, fa revy ity la vie, tsy ankijalijaly
Fa rehefa tsy azoko amin-dry tsy maintsy azoko any ho any
Ekeko ny fifanajana fa ny lamosika mila rano mafana
Ekeko nareo misasa toy ny fary voafika e
Te ho tafita

Fa tsisy kaontera io e, tsisy tableau  kilometrika
Tsy kobonao o, tsy fantatrao zay vitany tany
Lovia,  lovia nihinanan-drafy efa vita sasa
Amin’io ialahy mikaly, amin’io ialahy mirevy,
Ratsy e, eka

Tena bandy tsisy saina ialahy izay miaritra an’zany eee
No no nooooooo
Fa tsisy kaontera io o, tsisy tableau kilometrika
Tsy kobonao o, tsy fantatrao zay vitany tany
Lapoaly avy nanendasan-drafy tsara raha nisasa
Amin’io manao kasoka, amin’io ialahy miletra
Ratsy e, eka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Omyka
Vangy : 3850
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/04/2015 08:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0597