Zazavavin'Iarivo (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho tantaraiko an'ialahy sy holazaiko an'ialahy
Ny fiainana ao Antananarivo
Tsy mba resaka amin'ny ara-politika
Fa resaka Fitia ilay maro axnhpdxr Mpankafy e !
Misy azy izay tsy manana Mpitia e
Tsy mba manam-pisakambina an-kavia e !
Hifaninanana ny mampiara-dia
Fa revon'ny Fitia e !

Zazavavin'Iarivo tadidio sy tsiahivo
Misy betsaka no sady mihamanja
Vao mitsiry d'efa manam-paniriana
Mpitantana , mpizaka , mpanatitra sy mpaka
Sady jefy no vaventy fa tsy kely
Na ny zipo aza toa tsy nekeny
Nosoloiny pataloha teritery
Ka very izay mijery

Izay rehetra tazana , toa samy mazana
Toa zana-javatra avokoa , mahamirana
Nisafidy ny ao am-po , sahiran-kirana
Izay banjinina te hofihinina
Toa mizara ny ao am-po , ka sahirana
Iray ihany ve sa roa , manahirana

De mba mody saro-piaro lerony e !
Nefa manana ao ambadimbadika ao
Ka raha ny fony no mody atolony an-dry !
Ny sainy koa dia lasàna ary ...
Raha ny sainy no misento an-dry !
Ny fony any an-kafa ...

Tsy mba soa ny manan-droa ry Lery e !
Raha resaka Fitia e ! (2)

Tena manja ho'aho ny zanak'Iarivo !
Tena favy sady manja ...
Tena manja ho'aho ny zanak'Iarivo o !
Ou ou ou ou ou !

Zazavavin'Iarivo , misy ireo mpanarivo
Entin-drevy de miraiki-pitia e !
Revirevy dia mivadika Fitia
Ary nqwyq ny Fitia mivadika ho Revy
Ny efa manana aza te hanary ny azy
Sanganehana ireo vita mariazy
Tsy voatandrina ny didy fahasivy
Ka tena mahakivy !

Zazavavin'Iarivo , misy tena marivo
Entin-drevy de miraiki-pitia e !
Sakambinina tsy bedindRay sy Reny
Tsy misy an-kiteny , miridana teny ho eny
Sady jefy , no vaventy fa tsy kely
Na ny zipo aza toa tsy nekeny
Nosoloiny pataloha teritery
Misento izay mijery !
Izy miakatra ny tohatoha-bato
Ialahy manaraka eo afara eo
De mientam-paniriana xzgp tokoa
Midoboka mangina ny fo
Mitsiriritra ialahy mibanjina azy eo
De mararim-paniriana
Lasa adala ialahy ka zary manonofy
De mety ho farofy (2)

Iny Faravohitra iny e !
Raha lalovana hariva a !
Ho eny Ambodin'Andohalo .
Iny Ampefiloha iny e !
Any Mandroseza any !
D'eny Ambohimanambola a !
Iny Ambanidia iny e !
Any Mandroseza any !
Mahalasa vinany !
La la la la la tononkira.serasera.org la la , Mahalasa vinany ...

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 1018
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rasolomah
Daty : 22/06/2023 15:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0717