Sento fitia (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Madiva ho maizina ny andro
Madiva hisoka ilay masoandro
Misononoka moramora
Manara-morona e

Isika roa mifankatia
Samy kotsan-dranomaso
Eto am-pototry ny havoana
Tsy te- hisaraka

Voatery hifandao
Kanefa izaho aky tsy mahafoy
Hisaraka isika izao
Ny fitiavantsika mbola hitohy ô

Any an-tany lavitra any
Raha mahatsiaro ianao tomany
Iny volana balika
Hanjohy antsika

ouh!ouh!
Iny volana baliaka
Hanjohy antsika

Voatery hifandao
Kanefa izaho aky tsy mahafoy
Hisaraka isika izao
Ny fitiavantsika mbola hitohy ô

Any an-tany lavitra any
Raha mahatsiaro ianao tomany
Iny volana balika
Hanjohy antsika

ouh!
Iny volana baliaka
Hanjohy antsika

Raha sendra onja eny am-pita
Tsaroako ireny lasantsika
Ianao tokako tsy ho foiko
Tena tsy ho foiko

Raha sendra onja eny am-pita
Tsaroko ireny lasantsika
Ianao tokako tsy ho foiko
Tena tsy ho foiko

Ianao tokako tsy ho foiko
Tena tsy ho foiko
E! malalako
Ianao tokako tsy foiko
Tena tsy ho foiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 9860
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 14/10/2002 17:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133