Loza mihatra (Ny Ainga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taon-jato maromaro nifandimby hatrizayRakotr'ady politika ny tany
Aina maro no ripaky ny basy, tafondro
Fa ny ady no nandany rondoha e
Fa izao dia zava-kafa no iadina
Loza mainty mitatao tena hahina
Tonga saina aho amin'ny resaka fanao an'ny zanaky ny tany e
Taon-jato maromaro nifandimby hatrizay
Nahasondriana tamin'ny ara-toe-karena
Fa izao vao miharihary amin'izao tontolo izao
Izany olana ara-pitondra-tena
Izao vao tsapa ilay voankazo voarara
Noentin'io izay nasehon'ny tantara
Tsy mbola mba nitondra soa tamin'ity tany ity ny filibana
Ref : Ry vahoaka manam-panahy
Anjaranao sisa izao ny safidy e
Fahavelomana sa fasana ho'aho
Ny SIDA, ny fanahy
Anjaranay sisa izao ny safidy e
Fahavelomana sa fasana ho'aho
Koa fehezo ny tena lery
Tandrovy ny hajan'indri
Fehezo ny tena madama ô!
Fehezo ny tena ramose
Ny mahafinaritra ao aorinan'ny mahasoa
Mamy ny aina hoy ny razan'izay
Izay maharitra vadin'andriana ô!
Ny fanahy no olona
Ny habakabaka amin'ny ranomaria aza moa
Tandrovina tsy avela haloto
Maika moa ity vatanao misy saina sy fo
Misy hajana io raha tokam-pilana
Ny firaisana aza atao mandeha ho azy
Ny tantara dia efa nampiseho azy
Tsy mbola mba nitondra soa tamin'ity tany ity ny filibana
Loza be efa mihatra, ranotrambo izy ity
Vaky saina ny amin'ny laboratoara
Fa tsy resa-panafody medikaly io aloha
Fa fitsipi-pifehezana mihatra
Ny fiarovana misy hamafiso
Fa rindram-piaraha-monina io ho'aho
Ny fonao sy fitaovam-piarovana : ilay fingotra manify
Ref: Ry vahoaka manam-panahy...
Fehezo ny tena madama ô
Fehezo ny tena ramose
Fa fitaovam-panelezana aina
Hanelezam-pahafatesana ve?
Io anie ka tsy mahahendry dokotera o
Ka aza voany ihany
Loza mainty efa mihatra izy ity e!
Ka aza voany ihany
Ka aza voany ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny AingaVangy : 103
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ramihaja08
Daty : 29/10/2025 20:55
