AMPY HO AHY IANAO (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho adinoiko,fa ho tsaroiko
Mandritrin'ny fiainako ianao
Fa nahitako sy nahalalako
Izay rehetra ilaiko
Fa feno fatra,tsy mba nandratra
Ny fitia taminao
Fa nahasolo hantan-dreny,tsy ampy tamiko

Ref: Izay rehetra tsy tantinao
Mety hanohina ny fonao
Hiezaka aho aminkery,satria tiako ianao 2x ou ou ou ou

Ny tia kely,tsy ho ataoko ireny
Na dia tsy sitrakin'ny hafa aza
Fa nampiady,mamoafady
Mahatonga olana
Ny mampirafy,hataoko fady,ny fasarotam-piaroko
Raha mihantra,mety handratra
Maharitra fitia

Ref:.............................2x
(Tiako ianao) 3x

Dia hokaloiko,ho anao tsy foiko
Ity hira hiraiko ity
Mba hanamafy,'lay hery anaty
Raha tojo olam-pitia
Tsy ho resy an'ady,na hifampitady
Na dia hisy aza ireo tsy tia
Vonon-kisedra,ho anao hetretra
Satria ampy fitia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 2601
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mizahel
Daty : 10/08/2019 08:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0814