Meteza ianao (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
   Meteza ianao hahatsiaro
   Na ny andro lasa efa maro...
Tsaroanao ve ilay fiarahantsika,
Tsaroanao ve ilay hasambarantsika...
Meteza ianao hahatsiaro
Na ny andro lasa efa maro.

Tadidinao ve ireny hadalana ireny,
Tena tianao ve ny nataoko anao tamin’ireny ?
Na izaho na ianao, dia nety izay tononkira.serasera.org natao.

   Indray andro tokoa moa
  hanjawnj  No sendra nahitako dolan’olondroa
   Hay rafiko sy ianao
   Ny foko tamin’izay voaratranao
   Diso ianao, nahatonga ilay fo hifandao.

Embona foana ny ahy jyrfkn raha toa ka mba hikalo
Dia ianao foana, ianao tsy ho fahavalo ;
Angamba izay no lahatra
F’izaho no tsy mbola zatra.

   Indray andro tokoa moa,
   No sendra nahitako dolan’olondroa
   Hay ianao sy ilay rafiko
   Ny foko tamin’izay voaratranao
   Diso ianao, nahatonga ilay fo hifandao.
(Izaho koa diso e !)
   Indray andro tokoa moa,
   No vomtbp sendra nahitanao dolan’olondroa
   Hay izaho sy ilay rafinao
   Ny fonao tamin’izay voaratra koa
   Diso aho, nahatonga ilay fo hifandao.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana
Vangy : 6147
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : DR
Daty : 15/01/2003 20:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.036