Saotra Dera (Livasoa RANDRIANARIMANANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Saotra dera ho Anao ry Ray
Noho ny Fitiavanao
Nanomezanao tokoa an’i Jesoa Kristy
Maty mba hamonjy anay
Nisolovoina na dia tsy meloka
Tambony Hazo Fijaliana
Ka hobio Derao hankalazao ny anarany
Fa mendrika ho deraina Izy

He sambatra sy tretrik’izahay
Noho ny Fahasoavanao ry Ray
Nanangana ho velona indray
Ilay Tompo sy Mpanjakanay
Indro fa miposaka Sahady anie
Fitiavana sy Fanavotan-dehibe
Izay natolotra ho anay izao
‘Lay maty nefa velona

Dia Tahio manokana ry Ray
Ity androany ity
Nitsangana ho velona tokoa Jesoa Kristy
Resy ilay fasana
Tsy handalo fotsiny ihany anie
Fa tena hampihavana tokoa
Ka hobio Derao hankalazao ny anarany
Fa mendrika ho deraina Izy

He sambatra sy tretrik’izahay
Noho ny Fahasoavanao ry Ray
Nanangana ho velona indray
Ilay Tompo sy Mpanjakanay
Indro fa miposaka Sahady anie
Fitiavana sy Fanavotan-dehibe
Izay natolotra ho anay izao
‘Lay maty nefa velona
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Livasoa RANDRIANARIMANANA
Visites : 33
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ymtia
Date : 23/04/2026 14:51
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0278