Tsy laitra (KEN)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho haiko , ny hanadino anao
Mety tsy ho laitra , ny hahafoy anao
Tsy ho voavaly, ireo soa nataonao
Tsy ho voavaly, izay vitanao
Miraikitra ao an-dohako ao daholo
Izay niarahana nikolokolo

Refrain :
Ventsoventso sisa , lasa mitanisa
Ireo soa rehetra izay nozarainao tamiko
Tsy ho afaka ao an-tsaiko ao
Ireo tambitamby ,voafatotrao tato am-po

Tsy mety haiko, ny hamafa ny endrikao
Tena tsy laitra, ny nandao anao
Miraikitra ao an-dohako ao daholo
Izay niarahana nikolokolo

Refrain :
Ventsoventso sisa , lasa mitanisa
Ireo soa rehetra izay nozarainao tamiko
Tsy ho afaka ao an-tsaiko ao
Ireo tambitamby ,voafatotrao tato am-po
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KEN
Vangy : 197
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jessymih
Daty : 10/08/2025 18:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0194