Fisarahana (Jeanne Naly sy Ludger Andrianjaka)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aoka hifarana hatreo, ndeha mody aoka izayNy fiarahana teto hatrizay
Fisarahana efa nampoizina ihany
Nefa mafy ka mampitomany
Ndeha mody ianao
Ka aoka hifandao
Miandry ilay olon-tianao
Hangina aho satria
Eny hangina matokia
Miandry anao ilay tia anao
Hofaranana koa ny vetso mangina
Tsy analana ary koa tsy ampiana
Mety hijaly ny foko, hijaly noho ianao
Nefa aoka aleo mifandao
Ndeha mody ianao
Ka aoka hifandao
Miandry ilay olon-tianao
Hofaranana eny nefa mbola hiteny
Ireny fahatsiarovana ireny.
Le texte attribué à Edwige, Rado (Georges Andriamanantena) et Naly Rakotofiringa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Jeanne Naly sy Ludger AndrianjakaVangy : 35
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kotsur
Daty : 14/06/2026 00:41
